Mahafaly ahy indray ny manoratra ho antsika rehetra mizara izay atao eto
amin'ny serasera.org tato ho ato. Ezahina hatao ny milaza amintsika ombieny
ombieny ny vaovao vitsivitsy izay mety hahaliana antsika eto amin'ny serasera
toa izao. Koa misaotra antsika sahady mampandroso.
Nanofakana ny blaogy.org Tamin'ny 23 janoary 2007 teo dia nanokatra ny takelaka
blaogy.org ny serasera. Io no natao dia mba hahafahan'ny rehetra manana takelaka toy ny hoe
solonanarana.blaogy.org. Mazava ho azy, afaka mamorona blaogy
maimaim-poana daholo isika rehetra. Anjaran'ny tsirairay avy eo ny mikolokolo
sy mampahafantatra ny blaoginy. Ny fanazavana rehetra moa dia hitanao ao
amin'ny blaogy.org rehefa miditra ianao. Betsaka ny zavatra azo atao ao anaty
blaogy... jereo fotsiny ny ataon'ny hafa dia mety hahita hevitra ianao.
Mailaka @serasera.org Efa ela no nokasaina mba hananan'ny tsirairay adiresy toy ny hoe
[email protected]. Amin'izao dia vonona amin'izany ny serasera. Mbola
voafetra ihany anefa io koa raha liana ianao dia
tsindrio eto fa ao no anaovana ny fangatahana. Misy fepetra vitsivitsy ilaina vao afaka manana adiresy @serasera.org. Anisan'izany ohatra hoe tsy maintsy
namana mihoatra ny 4 volana.
Mivoatra be ny karajia Anisan'ny fitaovana be mpampiasa eto amin'ny serasera koa ny
karajia na ny chat eto amin'ny serasera.
Tato ho ato dia tafakatra hatrany amin'ny valopolo mahery ny mpiresaka mivantana ao. Raha te handray anjara koa ianao rehefa misy fotoana dia mandehana ao amin'ny
http://karajia.org Hanampy ny serasera Miala tsiny raha hiresaka kely momba ny ara-bola. Io moa no hozatry ny fiainana ary ny fikarakarana rehetra eto dia misy resa-bola daholo. Natao maimaim-poana ny serasera ary mbola hatao maimaim-poana hatrany. Anisan'ny mamelona azy kosa anefa ireny dokambarotra eto ireny. Koa mba jerijereo ihany fa fomba iray
hanampianao ny serasera ny fanindrianao indray ireny dokambarotra manaraka ny hafatra ireny.
Raha ohatra moa ianao hiroso bebe kokoa amin'ny fanampiana ara-bola ny
serasera dia azonao atao ny
manindry eto dia misaotra mialoha.
Izay indray ary no azo natolotra fa dia amin'ny manarka indray... ary mamerina
ny fisaorana.
Hery
©1999-2007 Tsiky dia ampy